Edito 28 Jolay – Madagasikara : mbola toy ny tany amin’ny 30 taona lasa

Rina Rabemananjara

Mizotra hatrany ny fotoana! Misasaka sahady ny taona saingy tsapa fa tsy maharaka izany fihazakazahana izany ny firenena Malagasy. Gaga ny vahiny izay tonga eto Madagasikara satria ohatran’ny mbola tany amin’ny 30 taona lasa ny zavamisy. Ny fiara izay mandeha eny amin’ny arabe dia maro no efa tamin’ny 30 taona lasa raha izay no atao ohatra. Izay vazaha tonga eto dia mahay ilay fiteny hoe Pays de moramora, izay midika fa tsy tia mandeha haingana isika ary ny tena loza dia mihemotra mihitsy. Lany andro amin’ny fifanomezantsiny sy ny fifanenjehana ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao; raha vao misy mpiray tanindrazana mba misongadina kely eo amin’ny fiarahamonina dia raikitra ny takoritsika, izay tonga hatrany amin’ny faminganana, dia eto isika mianakavy. Maro no milaza fa ny rafitra no anisan’ny tsy mampandroso ny Malagasy; marina izany saingy marina amin’ny ampahany. Maro ny karazana rafitra azo hitantanana ny firenena iray na ny fanjakana iray toy ny Rafitra entin’ny Mpanjaka na Amperora, ny Rafitra manome lanja ny fahefan’ny Filohampirenena, ny Rafitra mampifandanja ny fahefan’ny Filoha sy ny Parlemanta, ny Rafitra manome vahana ny Parlemanta, eo koa ny Rafitra tonga dia didy jadona tsy refesimandidy sy ny maro tsy voatanisa... Fa ny tiana ahatongavana dia izao : ny Rafitra dia rafitra ihany fa miankina be dia be amin’ny olona mampihàtra azy no hisian’ny fivoarana sy fandrosoana ao amin’ilay firenena satria na inona na inona rafitra apetraka rehefa ny olona manana fahefana  no  zatra mangalatra dia tsy maintsy fahantrana no zakain‘ny vahoaka. Any Allemagne ohatra dia ny rafitra Parlematera no hitantanana ny firenena kanefa dia iarahamahita ny fandrosoan’izany firenena izany satria sarotra ho an’ny lava  tanana nomangalatra. Tsotra ny tiana hambara, na inona na inona rafitra eto Madagasikara dia mahita lalana foana ny totakely amin’ny halatra, noho izany dia ny fampihàrana ny sazy faran’izay henjana ho an’ny mpanao ratsy ihany no vahaolana indrindra ireo tomponandraikitra ambony izay tokony hanome modely ho an’ny vahoaka tsotra. Mila fahasahiana anefa izany, sa ahoana hoy ianao?