17:30 > Fanadiovana faobe -Tsiazotafo – Niaranisalahy ny CUA, ny boriboritany faha-II sy ny mpamonjy voina

Araka ny fandaminana nataon’ny CUA amin’ny alalan’ny boriborintany faha-III dia nisy ny fanadiovana ny lalana Tsiazotafo, fanesorana ireo mpivarotra amorondalana, ny fiara maty mipetraka amin ‘ny sisindalana.

Niaranisalahy tamin’ny fanadiovana ny sampana asa vaventy ao amin ‘ny CUA, ny ekipan ‘ny boriborintany faha-III sy ny mpamonjy voina.

Natao izao mba hampalalaka ny lalana sy hampadio ny tanàna.