Fizirizirian’ny ministra HVM – Mikatso ny fampianarana sy ny ladoany

Andry Tsiavalona
Betsaka ny fitokonana fitakiana ny tombontsoa izay heverina fa ara-drariny sy hitsiny nataon’ny sendika isan-tokony na fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony tato anatin’izao Repoblika IV izao. Arakaraky ny hery sy firaisankin’ny mpitokona anefa no nampahomby sy na nampilefitra ny fitondrana na tsia.
Tsara tsiahivina amin’izany ny fitokonan’ny sendikan’ny mpandraharaha ny fonja sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ary ny sendikan’ny mpitsara.
Ny an’ny voalohany dia tena nisy tokoa ny firaisan-kina ary tsy nisy namadika ireo mpitokona ka sy maintsy nilefitra ny fitondrana. Tsy azo lavina ihany koa fa zava-doza no nitranga raha toa ka tandrevaka ny fiambenana ny fonja satria ny tsy fandriampahalemana efa manerana ny Firenena kanefa raha sanatria ka tafavoaka ny gadra dia tsy hifankahitana intsony teto.
Ny an’ny faharoa indray dia nisy ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana no tsy nanaraka ny fifampifehezan’ny sendika ka niverina niasa. Tsy mahagaga loatra izany eto amin’ity Firenena ity satria misy hatrany ireo baikon’ny fitiavan-tena sy jamban’ny fanambazana ataon’ny manampahefana. Marina fa toa nahatsiaro sahirana tokoa izay nanana raharaha teny amin’ny fitsarana tamin’ireny fotoana ireny kanefa kosa matoa mitokona ny mpiasa dia efa mihàtra aman’aina ny toe-javatra. Angamba mety ho nanana « conscience professionnelle » sy fahalahelovana ny mpiarabelona ireo niverina niasa kanefa ankoatry ny fanambazana dia miara-migoka izay vokatra azo avy amin’ny fitakiana irey mpiasa ireny. Raha tena fitserana sy fitiavana ny olona nanan-draharaha teny amin’ny fitsarana tokoa izy ireo dia tokony tsy mandray akory izay vokatra azo avy amin’ny tolona. Ho an’ny sendikan’ny mpitsara indray dia, angamba, tsy mbola tratra ny tanjona saingy mbola maneho firaisankina amin’ireo sendika mbola mitolona izy hatramin’izao.
Raha ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo izay matetika tokoa momba ny vatsim-pianarana na ny tsy fahalavorarian’ny toeram-ponenana no votoatin’ny fitokonana dia saika miafara amin’ny fifandonana amin’ny mpitandro filaminana sy fisamborana ny hetsika.
Mahagaga ihany koa fa misy tamin’ireo  mpitarika ny fitokonana tany aloha no lasa mpanapempo sy mpanakivy ireo zandriny mba mitaky ny zony amin’izao fotoana izao.
Matetika koa ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny fampianarana ambaratonga ambony no mitokona sy mitaky ny ora fanampiny tsy nefain’ny fitondrana kanefa toa zary mitoka-monina ka tsy mba manatevin-daharana sy manohana ny fitakian’ny sendika sasany.
Telo volana izao no nihetsika ny sendikan’ny mpampianatra ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazana noho ny karama tsy mifanaraka amin’ny vesatry ny vidim-piainana sy ny tabin-karama hofantrano raisiny izay tsy misy ampaharivon’ny hofantrano mendrika azy ireo akory. Nanampy trotraka ny fitakiana ihany koa ny fialàn’ny minisitra vaovao voatendry ao amin’ny governemanta Ntsay Chrisitian.
Manontany tena ny ankamaroan’ny mpiasa momba ny fisin’ny sendika fito ambinifolo (17) ao anatin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Amin’ny ankapobeny dia ny antoko politika no manangana sendika ( Fisema, Fisemare, Serema,…) ka avy amin’ny antoko iza izay mijoro ankehitriny avy ireo sendika ireo. Tsy mahataitra loatra raha mivaky roa ny tolon’ny mpampianatra amin’izao fotoana izao. Matoa nanao sonia ny fifanarahana hiverenana mampianatra teny amin’ny primatiora-Mahazoarivo, ny valo amin’ny fito ambinifolo dia tsy noho ny fitsinjovana loatra ny mpianatra sy falahelovana ny ray aman-drenin’ny mpianatra fa fitiavan-kely sy noho ny fanarahan-dia izay nisintaka tamin’ny tolona ho an’ny fanovana sy ny fanohanana ny fitondrana.
Manaporofo izany ny fahasahian’ny manana ny fahefana hanapaka ny karaman’izay mbola mitokona. Manana fahamatorana sy mijoro tsy azo hozongozonina amin’ny fitakiana ny sendika sivy ka tsy hihemotra sy tsy hanaiky lembenana satria rariny sy hitsiny ary risika ho fanatsarana ny fampianarana ny fanomezana fahafahampo  amin’ny fitakiana.
Mampiharihary ny fahalemeny ny mpitondra raha mbola sahy mandefa herim-pamoretana handrava izay mitokona. Tsy mihemotra ihany koa ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny sampan-draharahan’ny hetra sy ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana na ladoany.
Miparitaka ny feo fa ny eto an-drenivohitra ihany no mitokona. Fomba fiadin’ny mpitondra hatrany izany entina handemena ny sain’ny mpiasa sasany miroharoha saina sy hanaratsiana ny mpitokona eo imason’ny mpiray Firenena. Azo inoana fa tsy ho tahaka ireo sendika mpamadika ny mpiray vatsy aminy ireo sendikan’ny mpampianatra mijoro hatramin’ny farany sy ny sendikan’ny hetra sy ny fadintseranana ireo.
Na izany na tsy izany, mikatso aloha ny fampianarana sy ladoany ary ny sampan-draharahan’ny hetra hatreto, io dia manerana ny Nosy mihitsy.