Ny HVM ihany no MAPAR

Helisoa

Miha-mazava ankehitriny ny fandehan’ny raharaha politika eto Madagasikara fa iray ihany ny HVM sy ny MAPAR.

Tsy voatery hoe miara-miasa na tsia izy ireo fa ny tanjona dia iray ihany, fahavalo politikan’izy ireo sy atahorany mafy ny filoha Marc Ravalomanana, ka tsy maintsy hampitoviana ny tadin-dokanga.

Manamarina izany ny nanendrena ny kolonely Joseph Ramiaramanana filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, notendren’ny fitondràna HVM ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany rehefa lany ho ben’ny tanànan’Antananarivo i Neny Lalao Ravalomanana.

Maro ny fanenjehana nataon’ity kolonely ity ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’izany. Nampiasa ny fahefany mihitsy ity kolonely ity niditra ankeriny teny Anosipatrana naka ny fiara tsy ara-dakàna nahiboka “fourrière” tamin’ny andro alina nitondra miaramila milanja fitaovam-piadiana mahery vaika.

Tsy niraharaha ny tompon’andraikitry ny CUA mihitsy izy tamin’izany nitondra ireo EMMOREG hamaky ny vavahady niditra tao Anosipatrana.

Matoa ny kolonely Joseph Ramiaramanana mbola notendrena ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany dia misy antony ao fa tsy tongatonga ho azy izany. Mbola notendren-dRazanamahasoa Christine ho sekretera jeneraly tokoa izy, izay minisitra MAPAR, ka izany no midika fa ny HVM ihany no MAPAR.


 

FAKANA AN-KERINY CAMIONS TAO ANOSIPATRANA. 05 sept 2016 22h.
Dia ahoana moa no itenenana hoe misy ny Fanjakana eto ? izao no zvtra ataon’ny zareo, miditra an-keriny, tsisy taratasy, MIARO ny SINOA, enjana ny TSOLOTRA AVO LENTA. Nanaraka “procédure” ara-dalana ny CUA nampiditra ireo camion tam fourrière dia alaina an-keriny satria AZY HONO. Dia mbola hisy hiaro ihany ve ato? Dia ny tena no menatra @ ataon’ireo mpitondra.

 

FAKANA AN-KERINY CAMIONS TAO ANOSIPATRANA.05 sept 22h.Dia ahoana moa no itenenana hoe misy ny Fanjakana eto ? izao no zvtra ataon'ny zareo, miditra an-keriny, tsisy taratasy, MIARO ny SINOA, enjana ny TSOLOTRA AVO LENTA. Nanaraka "procédure" ara-dalana ny CUA nampiditra ireo camion tam fourrière dia alaina an-keriny satria AZY HONO. Dia mbola hisy hiaro ihany ve ato? Dia ny tena no menatra @ ataon'ireo mpitondra.

Publiée par Miora Ny Ravo Ravao sur Lundi 5 septembre 2016