Edito 17 Jolay – Tonga ny fotoana tokony hijeren’ny fanjakàna ireo mpampianatra

Helisoa

Mitana ny sain’ny olom-pirenena ankehitriny ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara, na ny marina kokoa ny fitokonan’ny mpampianatra mpanabe.
Mikatso tanteraka ny fampianarana manerana ny Nosy, na lazain’ny fanjakàna aza fa ampahany amin’ireo  mpampianatra no  mitokona. Tsy mihemotra hoy ny minisitra Horace Gatien ny fanadinam-panjakàna fa tsy maintsy tanterahana araka ny daty izay efa napetraky ny minisiteran’ny fanabeazana . Misy ny milaza fa lasa takalon’aina ny ankizy madinika amin’ity toe-draharaha ity, koa mipetraka eto ny fanontaniana, iza no fositra amin’izany, ny mpampianatra mitokona ve sa ny mpitondra? Alaim-panahy isika hilaza hoe ny mpitokona, mety ho marina izany nefa kosa andao mba ho jerena marina hoe inona ny olana tena itadiavan’izy ireo fanovana? mangataka tambin-karama karazany maromaro izy ireo, fa nahoana moa? Misy ary tsy azo lavina ny tsy fitoviana mihoa-pampana eo amin’ny  mpampianatra sy ny mpiasa-panjakàna mitovy aminy amin’ny fomba fitantanana eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana. Misy ny mahazo tombony be ary misy kosa ny  anjorombala. Efa nisy fotoana ireo mpampianatra nitokona, fa ny hita hatramin’izay dia misy foana ireo mamono afo ao anatiny ka lasa tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fitakiana fa very anjavony teny foana. Ankehitriny, tonga kosa ny fotoana tokony hijeren’ny fanjakàna ny mikasika ireo mpampianatra eto Madagasikara raha tena mijery ny tombontsoan’ny zaza Malagasy izy ireo. Farahidiny raha samy mpiasam-panjakàna izany mpanabe izany  eto amintsika, koa mila vahàna indray mandeha anefa izy ity mba tsy ho sorona ny zaza Malagasy, tsy adala akory ireo mpampianatra ireo ka tsy ahafantatra ny tokony ho zakan’ny fanjakàna omena azy ireo, fa hatreto dia  toa ny fandrahonana indray no mitady ahazo laka .