Edito 14 Jolay – Very fanahy mbola velona ny Malagasy

Helisoa

Efa ho tapitra tsy ho ela ity ny  fotoam-piasan’ny  filoha  Hery Rajaonarimampianina fa dia tsy misy mangirana  hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Nilaza moa ity farany fa mbola miantraika tamin’ny fitondràna tarihiny hono ny tarazo napetraky  ny fitondràna nifandimby teto  nandritra ny 50 taona, ka vao manarina izany izy ankehitriny. Tena fialàna bala araka ny fitenin’ny tanora izany fa  ny hita dia tsy mahavita azy,  tonga tampoka  teo amin’ny fitondràna i Hery Rajaonarimampianina  dia tsy nanana vina  entina hampandroso an’i Madagasikara ,  Tip top no betsaka sy ny blà blà. Minisitry ny vola tamin’ny fitondràn’ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina, ary filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny orinasam-panjakàna ny Air Mad  no andraikitra notanan’i Hery Rajaonarimampianina farany  talohan’ny naha filohampirenena azy.  Andraikitra lehibe  no notanan’ity  farany  tamin’ny fitondràna tetezamita  io,  tsy afabela mihintsy  izy   milaza amin’ny vahoaka fa hoe tsy nanapotika  ny firenena. Tadidio  fa ny fanonganam-panjakàna notarihin’i  Rajoelina Andry sy ny forongony no tena nampidi-kizo ny firenena teto  ary naha fadiranovana  ny vahoaka Malagasy toy izao;    Rajaonarimampianina ao anatin’izany. Zao lasa very fanahy mbola velona ny Malagasy, tsy hitany intsony izay  atao.  Ny  olona  nampitondra faisana ny firenena ho any andavaka indray no miseho azy fa hanavotra azy amin’ny lainga marivo tototra anambakàna ny vahoaka sahirana.  Samy voasazin’ny firenena Afrikana avokoa na i  Andry Rajoelina na i Hery Rajaonarimampianina, tompon’andraikitra amin’ny fampahantrana ny Malagasy daholo, ka tsy ho tratry ny indroa hahita ny maizina eto intsony  ny vahoaka fa hahay hisafidy izay  hitondra azy.