Fort-Dauphin – QMM – Trandraka Monazita mamono olona sy ny tontolo iainana

Onesime Michel
Vokatry ny fitrandrahana Monazita dia mimenomenona ny mponina. Tsy hijanona fotsiny amin’ny fitrandrahana fasimainty ny QMM fa mbola mitady sy mikaroka ny vokatra na akora hafa lazaina fa mandoza aina ny Monazita. Famonoana ny mponina, indrindra ny sahira-pivelomana no dikan’izany hoy ny fanehoan-kevitra. Maro ireo mahatsiaro tena fa voafitaka noho ny fipetran’ity orin’asa kanadiana ity.Tsy ny fahasimban’ny tontolo iainana fa eo koa ny aretina maro karazany izay tsy fahita hatramin’izay. Aretina tsy mbola ahitana fiarovana.
Araka ny fanadihadian’ny sarambabem-bahoaka ny antitra sy ny ankizy vao teraka ary ireo vehivavy bevohoka no mitondra faisana. Hitrandraka Monazita amantaoniny isan’andro ankoatry ny fasimainty ity orinasa ity na efa manao izany ny orin’asa. Manahy ny mety ho voka-dratsy haterak’ izany ny ao Anosy ao. Na teo aza ny fanadihadiana ara tontolo iainana talohan’ny hitrandrahana, nanaraka ambokony ny malagasy. Tatry ny tian-kano tsy tian-kano. Fehin’izany noho ny antony ara-pahasalamana, tsy milamina ny any Anosy.