EDITO 12 Jolay – Filoha Marc Ravalomanana – Lotoina  fa vao mainka mamiratra

Helisoa

Efa antomotra ity ny fifidianana  filohan’ny Repoblika vaovao  hitantana ny firenena indray, ao anatin’izany, mandeha avokoa ny  paipaika maloto  ataon’ireo tsy maty voalavo ankibo amin’ireo kandida izay heveriny  fa matanjaka . Lasibatra amin’izany ny kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM)  ny filoha Marc Ravalomanana , ka ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana  sy ny mpiara-miasa  aminy no fitaovana  entin’ireo  tsy mataho-tody handotoina  an’i Dada.

Mandeha  be amin’izao fotoana izao  ny resaka fa hoe nivarotra tany  eny Analamahitsy  misy ny CEG  ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana,  atao laza-masaka amin’ny haino aman-jery sy ny gazety  ery io vaovao io tato anatin’ny andro maromaro  izay . Amin’izao, tampina ny daomin’ny mpanaratsy  fa  tamin’ny taona 1998  io tany io dia efa namidin’ny tompon’andraikitry ny CUA  tamin’olon-tsotra.

Marobe ny fanaratsiana  atao  amin’ny filoha Marc Ravalomanana, fa ny tsy fantatr’ireo mpanaratsy dia vao mainka mampitombo ny lazan’i Dada izany. Mbola tsy adinon’ny  vahoaka  manerana an’i Madagasikara  ny fampandrosoana  nentin’ny fitondràna Ravalomanana  tao  anatin’ny 7 taona nitantanany ny firenena , ka ho sasapaoana eo ireo  milaza  azy ho mahay. Raha tsy nisy ny fanonganam-panjakàna tamin’ny  taona 2009 nataon’ny fahavalom-pirenena   dia efa lasa lavitra i Madagasikara  , saingy  izay no  misy dia  very teo indray i Madagasikara  efa saika namiratra .

Ny marina tsy mba maty ka na ho  lotoina aza  ny filoha Marc Ravalomanana dia vao mainka izy hamiratra , volamena  nilatsaka ambovoka, tsy hilaozan’ny soa tsy hamiratra.