13:00 > Fiaram-panjakana – Mbola misy ireo any amin’ny CT sy CST teo aloha

Fantatra amin’izao fotoana izao momba ireo fiaram-panjakana fa mbola misy izy ireny no any amin’ireo CT sy CST teo aloha tamin’ny andron’ny tetezamita.
Araka ny tapaka tamin’ny filan-kevitry ny ministra anefa dia atao plaque rouge na takelaby mena vokoa ny nomeraon’ny fiara an’ny fanjakana rehetra. Misy ireo fiara maro  Toyota Camry sns… izay tonga teto tamin’ny taona 2009 saika hanatanterahana ny Francophonie sy ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikana teto amintsika tamin’ny fotoanandro izay tsy tanteraka, noho ny zava- nisy teto amin’ny firenena noho ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina .
Maro amin’ireny fiara ireny no mbola eny am-pelatanan’ireo CT , CST, Ministra… tamin’ny tetezamita ka tokony halain’ny fitondrana koa hatao takelaby mena koa ny nomeraony.