CEG Analamahitsy – Tetikasa mendrika no nanosoram-potaka ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

Misoratra amin-dRazaiarimanga Marie Meltine ny tany misy ny CEG Analamahitsy.
Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia manambara fa araka ny fanapahankevitry ny mpanolotsaina ny tanàna mitondra ny laharana 026bis/ 98 tamin’ny 10 jolay 1998 nosoniavin’ny filohan’ny filankevitry ny tanàna tamin’ny fotoan’androny, Lalaina Berthnès dia namidy tamin-dRamatoa Razaiarimanga Marie Meltine ny ampahatany “ANTSONJOMBE COMMUNE 24124- A” ao Antsonjombe Antananarivo mirefy 4217 m2 misy ny CEG Analamahitsy amin’izao fotoana izao . Noho izany dia tany manan-tompo tamin’ny taona 1998 io tany misy ny CEG Analamahitsy io ary ny mpitondra tamin’izany no nivarotra ny tany tamin-dRamatoa Razaiarimanga Marie Meltine.
Arak’izany dia tsy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana velively no nivarotra ny tany fa efa tamin’ny taona 1998 no nisy ny fifampivarotana, izy aza ankehitriny vonona hanome tany vaovao eo akaiky eo ihany maimaimpoana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, hanorenana CEG vaovao raha mbola hanohy ny tetikasa hamindrana io CEG io ihany ny ministera sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, izany dia ho tombontsoan’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny hatrany.