HCC – Tsy masin-teny sy tsy mahavita ny adidiny

Momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana dia hitan’ny mpanara-baovao fa tsy masin-teny sy tsy mahavita ny adidiny ny HCC na ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Ny anton’izany dia ireo parlemantera senatera sy depioten’i
Madagasikara tsy nahavita fanambaran-pananana dia tsy misy naongana. Ny depiote mpivadibadika palitao na tsy nanaja ny mandat impératif dia tsy misy voasazy. Ny antsoina hoe pacte de responsabilité izay navoakany tamin’ny fanonganana voalohany ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia tsy nisy nanaraka. Ny fitsinjarana toerana amin’ny governemanta na ny clé de répartition dia tsy voahaja raha tsy hoe tena nisy ny accord politique na fifanarahana politika, izay tsy aseho mandraka androany. Ny fifidianana ho filoha tsy hatao amin’ny fotoana tsy misy orana satria ny volana novambra sy desambra izany dia efa fotoanan’ny orana sady mety hisy rivodoza mihitsy aza amin’ izany vanim-potoana izany. Arak’izany mety tsy hanaraka ny didy havoakany momba ny voka-pifidianana ho avy eo indray ny rehetra, ka hiteraka korontana indray izany.

Mila hovana arak’izany ity andrim-panjakana ity satria azo lazaina ho tsy mahefa. Filoha tokony haongana efa indroa miantoana tsy naongany nefa miaiky izy fa tsy nanaja lalampanorenana tokoa ny Filoha Hery Rajaonarimampianina.