EDITO 10 Jolay – Madagasikara, mitovy lasitra amin’ireo firenena tsy mandry fahalemana

Sôh’son

Anisan’ireo firenena 21 voalohany maneran-tany amin’ny tsy fisiana fitokisan’ny mponina ao aminy ho voaaro amin’ny herisetra i Madagasikara araka ny tatitra isan-taona fanaon’ny Institut Gallup. Ny fahatsapana ho tandidomin’ny herisetra na hiharan’izany amin’ny fandehanana amin’ny alina no nanaovana fanadihadiana. Tsy fandriampahalemana amin’ny fandehanana amin’ny alina, efa iainan’ny vahoaka Malagasy efa nandritrra ny taona maro izany ary olana lehibe iray tsy voavahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Tsy miandry alina akory aza fa vao mitehika ho harivariva fotsiny ny andro dia efa mitaintaina ny maro amin’ny famonjena fodiana. Misy toerana maromaro izay efa tena malaza amin’izany indrindra eto an-drenivohitra, ary lazaina ho faritra mena tanteraka. Toy ny tany tsy misy fanjakana sy mpitandro filaminana eto amintsika. Midehaka amin-javatra tsy ilain’ny vahoaka ny fitondrana, fa ity olana lehibe iray anefa tsy nahitana irika fa niala maina amin’ny fahitana vahaolana sy ny fifehezana azy. Tsy misy olona iray eto afaka hilaza, eny fa na dia ireo mpisolelaka sy mpila ranondranony amin’ny fitondrana sahy hilaza, fa nisy toerana na tanàna iray teto an-drenivohitra mandry fahalemana vokatry ny asan’ny fitondrana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Ny mponina dia zary tsy matoky intsony ny fahombiazan’ny asan’ireo be basy milaza ho tandroka aron’ny vozona. Zary lasa sahobakaka ambodiriana ny mponina, mitaintain-dava. Tsy mbola nisy faharatsiana fandriampahalemana toy izao hatramin’izay niverenan’ny fahaleovantena. Misy fiantraikany tanteraka amin’ny fiharian’ny mponina izany toe-javatra ratsy izany. Tsy atao hahagaga raha tsy misy fivoarany ny fiainana andavanandrony satria mandindona azy hatrany ny herisetran-jiolahy. Ny heriny hanohitra izany kely rahateo satria tsapany fa tsy ho eo akaikiny mandrakariva ny mpitandro filaminana hiaro azy. Indraindray aza antsoina izy ireny amin’ny alina tsapa ho mila vaniny amin’ny fitakiana solika sy ny pitsopitsony. Ilay fitondrana miseho ho mahay noho ny rehetra teo alohany tsy nahita vahaolana akory tamin’izany. Raha tsorina, tsy mandry fahalemana ny tany, izay midika fa tsy miadana ny vahoaka ao anaty ngidin’ny fijaliana ara-tsosialy tao anatin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao.