17:30 > Faradofay, lisea Pôle, Mangarahara – Mbola manohy ny fitokonana ny SEMPAMA Mangarahara

Tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitakiana sy ny fangatahana ataonay mpampianatra. Na izany, miankina amin’ny toromarika ataon’ny any amin’ny foibe. Io no nambaran’ ireo mpampianatra mitokona tsy mampianatra ao amin’ny Lycé e Pôle Faradofay. Mamafy lainga sy mamahan-dalitra ny ministera mpiahy milaza fa mianatra ny mpianatra any Faradofay.

Amin’izao fotoana, miditra amin’ny herinandro faha-2 ny fitokonana. Tsy misy mampianatra ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny SEMPAMA ireto. Manoloana izany, mahatsapa ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana hiatrika ny fanadinana bakalorea ao amin’ny lycée Pôle, fa ny fanaovana cours samy mpianatra no vaha-olana hamenoana ny banga.

Ny tomponandraikitry ny fampianarana etsy andaniny manery ireo mpampianatra handray ny asany. Mihenjan-droa ny tady. Tsy manaiky lembenana hiverina mampianatra ireo mpampianatra mitokona ireo.