12:00 > Resabe famarotana tanin’ny CEG Analamahitsy – Nanao valandresaka ny CUA sy ny MEN

Nanao valandresaka mikasika ny CEG Analamahitsy ny avy ao amin ‘ny CUA sy ny MEN mikasika ny resabe milaza fa namidy ity sekoly ity.

Nanao ny valandresaka ny talen’ny serasera eto anivon ‘ny CUA Dina Ramananarivo sy ny chef ZAP ao amin ‘ny boriborintany faha-V sy ny ny mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo Atoa Fetra.

Ny CUA dia tsy mpivarotra tany. Ny manome maimaimpoana aza no ataon’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana noho ny fitsinjovany ny zaza Malagasy. Nanome tany hanorenana toerampampianarana maimaimpoana ho an’ireo ankizy ao amin ‘ny CEG Analamahitsy ny CUA noho ny maha tany manatompo io toerana io.

Tsy miala kosa ny mpianatra raha tsy vita ny fotodrafitr’asa vaovao hianaran’ny ankizy izay misy efitrano miisa 20, toerana famakiamboky sns…