Mpiasam-panjakana tsy ampy solaitra, tsy ampy fahaizana be karama noho ny mpampianatra

Fanabeazana – Rariny ny fitakian’ireo mpampianatra
Tsy mbola ahitana vahaolana hatramin’izao ny fitokonana ataon’ireo mpampianatra, ary faritra maro eto amin’ny Nosy no manatanteraka izany. Noho izay antony izay, mampanahy ny hisian’ny taona fotsy eo amin’izay sehatry ny fanabeazana izay, izany hoe: tsy hisy fanadinana.
Rariny ny fitakian’ireo mpampianatra satria izy ireo no tena kitro ifaharan’ny fampandrosoam-pirenena amin’ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora handimby. Ny mpitatitra aza vao nihetsika 24 ora dia nomena valiny, koa rariny koa raha homena izay takiany izy ireo, izay efa nitolona nandritra ny 2 volana teo izao.
Any Belo Tsiribihina, tsy hiverina hampianatra ny mpampianatra raha tsy hita ao anatin’ny kaonty “mobile money” ny vola 100 000 Ar tokony ho azy ireo, raha ny vaovao azo avy any an-toerana.
Ny tsara ho fantatra ny mahakasika ny fitakian’izy ireo:
* Allignement de la Grille indiciaire
* Code rubrique 512 : 100 000 Ar
* Code rubrique 517 : 100 000 Ar
* Code rubrique 530 : 100 000 Ar
* Code rubrique 570 : 100 000 Ar
* Indemnité de préparation et correction : 100 000 Ar
* Recrutement FRAM : 10 000 postes par ans.
* Subvention FRAM : ampiakarina ary ara-potoana.
DROIT ACQUIS
* Avancement, Mandattement, Reclassement par diplôme, * * Rappel de soldes.
* Vaccation et Subvention : fa dia tsy ara-potoana sady misy mbola taona maro tsy voaloa.
Ireo nampanantenaina nefa tsy notanterahina:
* Indemnités Spécial pour les personnels du MEN:100 000 Ar compter Janvier 2017.
* Fanapariahana ny prise en charge sy remboursement frais médicaux eny anivon’ny faritra.
* Catégorisation II, III, IV
* Bonification ho an’ireo nandalo Fram ho solon’ny fanafoanana contrat lavareny.
RECRUTEMENT : Nankaiza ny 6 000 postes budgetaires mameno azy ho 10 000 satria dia 4 000 fotsiny no mandeha amin’izao nefa rehefa noporofoina dia tsy nomena ny tafika izany?

Ankoatra izany,  mba azon’ny mpitondra fanjakana hazavaina  ve ny lojika nahatonga izao:
– Mpitandro ny filaminana manana BEPC (Sergent chef) mikarama 3 000 000 Fmg (600.000 Ar) ;
– Mpiasan’ny finance manana BACCALAUREAT mikarama 3 000 000 Fmg (600.000 Ar + primes ) ;
– Mpampianatra manana LICENCE BAC+3 mikarama 2 000 000 Fmg (400.000 Ar).

Ny eto Madagasikara irery ihany no firenena ka izay mpiasam-panjakana tsy ampy solaitra na tsy ampy fahaizana indray no tena be karama…  Izany dia toa mandrisika ny taranaka malagasy tsy hianatra ve izany ny mpitondra fanjakana malagasy?

Noho ireo antony ireo tsy rariny ny manjo ireo mpanabe sy mpampianatra Malagasy, rariny ny fitakiany ary mila valiana haingana izany.