FITONDRÀN-JIOLAHY?

Jiolahy ankehitriny no mitondra firenena,
Ka mitombo hatrany hatrany ireo karazam-pahavoazana ?
Ny mpampianatra, indrisy, toa odiany tsy jerena,
Lasa tena ambanin-javatra ny olana amin’ny fanabeazana.

Vahaolana, tsy misy, teny an’avona no re
Avy amin’iretsy izay milaza ho solontenam-panjakana.
Tena tsisy vidiny aminy izany atao hoe “mpanabe”,
Fa baomba no entiny mandrava irony hetsi-panovana.

Zaza Malagasy maro no indreo mirenireny,
Fa mikatona tanteraka ny sekolim-panjakana.
Manoloana izany anefa dia manohy ny hagegeny
Sady manakimpy maso ny ao anaty fitondrana.

Misy ny “olona atahorana” ka matetika tambazana,
Ary omena valiny haingana sy tolorana ‘zay tiany.
Saingy ny ao anaty sehatra sy tontolom-panabeazana
Dia atao “tsy misy vidiny”, izy sy ny fitakiany.

… Fa izay ilay fitondrana izay mijoro ankehitriny,
Fitondrana lo tanteraka, tsy mitsinjo ny vahoaka.
Ireo ilay jiolahy mpandroba tamin’ “iny lalana iny”,
Be kabary , mpievotrevotra, saingy tena tsisy hapoaka .

DADAN’i RIANA (06-07-18)