Sazalahy Tsianihy (TIM Toliara) Ravao ny CENI, ataovy mazava ny lalam-pifidianana

Tsy matahotra fifidianana ny mponin’i Toliara hoy ny mpandrindram-paritra Tim any amin’ny faritra atsimo andrefana raha naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaham- pirenena ankehitriny ny tenany. Novaliany mantsy ny tenin’ny sasany fa matahotra fifidianana ny filoha Marc Ravalomanana. Vonona izahy hoy izy, ary vonona ny kandida Ravalomanana, fa ravao aloha io governemanta io, dia ovay koa ny Ceni, dia arosoy ny fifidianana dia aleo ny vahoaka hitsara izay tiany hitondra azy. Nambarany ihany koa fa raha izao mitranga eto amin’ny firenena izaao, toy ny tsy fitoniana, ny tsy fandriampahalemana ahitana vono olona sy fanakanan-dàlana etsy sy eroa ary ny halatr’omby eny ambanivohitra, ny asan- dahalo sns… dia sarotra ny hanatanterahana fifidianana amin’ ity taona ity na dia efa nilaza aza fa vonona ny vola entina manatanteraka fifiidianana amin’ity taona ity. Tokony hazava ihany koa ny lalàm-pifidiana amin’izao. Fantatra fa kandida nefa manao praopagandy sahady toa an’i Andry Rajoelina any amin’ ny faritra atsinanana iny , dia lazaina fa manazava amin’ny vahoaka ny IEM lazaina fa hitondra fampandrosoana eto Madagasikara. Fivarotana tanindrazana amin’ny vahiny tsotra izao anefa io IEM io. Ny tsy azo hadinoina anefa dia i Andry Rajoelina sy ny forongony no nanapotika ity firenena ity tamin’ ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ka tsy mbola tafarina izany hatramin’izao.
Rajo