FISANDRATAN’NY OLO-MAVANDY ?

Ny adala rehetra no indreny mirotsaka,
Miampy ireo fetsy sy tena kapotsaka.
Misy sahady no efa tsy tana,
Ka sahy nijoro, nangala-piaingàna. 

Tsy olon-tsy fantatra, vao hozoviana,
Fa ny efa malaza amin’ny haratsiana.
Mpamita-bahoaka, devoly hita vatana.
Miomana indray amin’ny “fisandratana”. 

Heno sahady manketsy, mankatsy.
Manao teny mamy, mivimbina vatsy.
Malaza ho mpitondra amin’ny fihemorana,
Ka kilasiana fa hoe “fozaorana”. 

Tsy azo antenaina ny hoe hampandroso.
Fa raha dia mianòtra dia misosososo.
Takaitra navelany, hita eto an-dasy :
Jereo f’any an-davaka ny Malagasy! 

Koa mieritrereta ry olo-nofaizina,
Raha mbola indroa hianjadian’ny haizina.
Henoy dia ialao ny propagandy,
Raha ho “fisandratan’ny olo-mavandy”.

DADAN’i ZINA (03-07-18)