17:00 > Rakotomamonjy Phillipe – Ovay aloha ny rafitra mialohan’ny fifidianana Filoha

Rajo

Hentitra ny Dis-Tim ao amin’ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra fa tsy misy fifidianana mandeha eo raha tsy ny rafitra aloha no miova. Mila ovaina aloha ny olona amin’ny rantsa-mangaika samihafa toy ny lehiben’ny faritra, distrika,  eny hatrany amin’ny kaominina sy ny fokontany ihany koa. Ankoatr’izay dia mila miova ihany koa ny eo anivon’ny CENI satria io no tena antoky ny fifidianana eto amintsika. Efa fantatra fa tsy atokisana io Ceni io hoy izy, ka raha tsy io no miova dia tsy hisy raharaha hanjary izany eto. Izay indrindra hoy ity mpanao pôlitika ity no antony nahatonga ny hetsik’ireo solombavambahoakan’ny fanovana eny Analakely. Tsy mbola mitsahatra io hetsika io hoy izy raha tsy mivaly ny fitakiana dia ny fanalana ireo minisitra Hvm ao anaty fitondrana sy ireo rantsa-mangaika samihafa ihany koa. Tsy nisy ny hetsika omaly satria teny amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nanampy ireo sendikan’ny mpampianatra ireo mpitolona tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.