12:00 > RY MPITONDRA BEMARENINA O !

Aiza ianao no hahita vola homena iretsy mpanabe,

Satria nandrasana hivangongo ireo karazam-pitakiana?

Moa i Madagasikara no kasaina hamidy ve?

Sa mbola hisambo-bola indray f’izay no hampisy fitoniana?

 

Iretsy mpianatra, jereo, tsy vitsy no mirenireny,

Tsy marisika intsony f’efa maro no nijanona.

Tsy azony antenaina intsony ny filoham-pireneny,

Ny sekoly raha izao dia tsy hamokatra olom-banona.

 

Iretsy ray sy reny maro, lany vola tamin-janany,

Toa misento sesilany, very ny fanantenàny !

Tena maizina tanteraka ny hoavin’ny taranany,

Fa mpitondra tsy mahomby no mikiribiby hatrany.

 

… O ry hery vaovao o! nopotehinao tanteraka

Ny tontolom-panabeazana eto Madagasikara.

Iretsy mpanabe, jereo,  fa efa maina sady reraka,

Koa mialà izao dia  ‘zao  f’izay no mety sy hahatsara .

 

DADAN`i ZINA (Jona 2018)