Edito 3 Jolay – Tsy raharahian’ny fanjakana ny resaka fanabeazana eto Madagasikara

Helisoa

Roa volana mahery izao no nikatso ny fampianarana eto Madagasikara, saingy ny mahagaga dia samy mitazana avokoa ny rehetra. Raha miaramila na zandary no manao fitakiana ka milaza fa tsy handray baiko na koa tsy hiasa, dia eo no ho eo ihany dia mivaly ny fangatahana ataon’izy ireo.

Tsy hoe akory manome rariny ny mpampianatra  raha miteny izany, fa mampitaha kosa ny zava-misy eto amin’ny firenena dia lasa ihany  ny saina. Tandindonin’ny taona fotsy ankehitriny ireo mpianatra, indrindra fa ireo hanala fanadinana  CEPE, BEPC, BACC, raha mitohy izao olana mahazo ny fampianarana izao.

Raha ny tokony ho izy dia misy ny  fitakiana azo valiana amin’izao fotoana izao raha misy ny finiavana eo amin’ny fanjakàna. Ny mpampianatra koa etsy andaniny afaka miandry ny fotoana mampety ny hamalian’ny fanjakàna ny hetahetan’izy ireo fa tsy adala akory araka ny nambaran’ny solontenan’izy ireo.

Koa eto dia any amin’ny fanjakàna ny baolina satria any aminy ny lakile hamahàna ity olan’ny mpampianatra mpanabe ity, ka asa raha hanao be marenina ihany amin’ny fitakian’ireto farany ny mpitondra.