Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna nankahery ireo niharan-doza tetsy amin’ny HJRA

Nankahery ireo naratra sy nitondra teny fampiononana ireo nanana ny namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana androany tany Andranomena Arivonimamo, pk 40, ny filoha Nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana; niara-dia tamin’izy ireo tamin’izany koa ny ministry ny Indostria Guy Rivo Randrianarisoa sy ireo Parlemantera TIM. Tamin’izany no nitondran’izy ireo izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ny fianakavian’ireo naratra noho izao lozam-pifamoivoizana izao, sy fao-dranomaso ho an’ny fianakavian’ireo maty tamin’ity loza ity, izay niisa efatra (04). 43 ireo maratra tsaboina ao amin’ny HJRA Ampefiloha, 15 no tsaboina any amin’ny Hopitaly any Arivonimamo. Kamiao mpitatitra mankany Manalalondo Arivonimamo no niharan-doza tao Andranomena, latsaka tao anaty ranon’Iombifotsy ilay Karandal rehefa niala omby, nahatonga izao loza mahatsiravina izao. Tsy misy azo hambara noho izao lozam-pifamoivoizana izao hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana afa-tsy ny tokony hitandreman’ny mpitatitra hatrany, tokony ho hentitra ihany koa hoy izy ireo mpitantana ireny kaoperativam-pitaterana ireny amin’ny fitandroana ny ain’ny olona. Raha nanontanin’ny mpanao gazety mahakasika ny fahitany ny datim-pifidinana filohampirenena efa nivoaka Andriamatoa Marc Ravalomanana dia nanambara fa mbola tsy mifantoka amin’izany aloha ny sainy fa ny fiatrehana ireo niharan-doza aloha no maha-maika. Hetahetan’ny fianakavian’ireo niharam-boina ny hanamboarana ny lalana Manalalondo satria ny lalana ratsy ihany koa hoy izy ireo no fototry ny loza toy izao ho an’ireny kamiao mpitatitra olona ireny. Ho jerentsika ny mahakasika izany fanamboaran-dalana izany hoy i Dada nampanantena azy ireo.