15:30 > Anjiajia – Ambatoboeny – Zandary roa novonoina tamin’ny feno mahatsiravina

Feno habibiana sy nahatsiravina no namonoana ireo zandary roa tany Anjiajia Ambatoboeny tamin’ity herinandro ity. Lavo am-perinasa, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Jaomaro, 48 taona sy Randrianirina Zo, 30 taona, zandary nanao fanarahan-dia omby very rehefa nifanandrina tamin’ny dahalo tany amin’ny faritra Boeny iny.
Ahiana ho ekipan’ireo Jamà, izay karamaina hiambina tanàna na olona manana omby any ambanivohitra, no namono nahafaty ireo zandary roa ireo.
Ny Jamà no mampiasa antsy lava rehefa miasa. Nahitana dian’antsy lava anefa teny amin’ny vata mangatsiakan’ireo zandary roa lahy, ka izay no heverina ho porofo iray ilazana fa izy ireo no mety namono ireo zandary tany Anjiajia ireo.
Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary hamantarana ny marina momba ity vono olona mahatsiravina ity.