Minisitry ny fanabeazana, Horace Gatien, tsy mahavaha olana, mila hesorina haingana

Ny Valosoa

Hatreto dia mbola tsy miverina mianatra ireo mpianatra amin’ny
sekolim-panjakana toy ny EPP , CEG ary LISEA. Mbola manohy ny fitokonany  ireo mpampianatra ary milaza ny tsy hiverina hiasa mihitsy raha tsy voavaly ny fitakiany. Etsy ankilany anefa dia toa tsy miraika sy tsy vonona hihaino izany mihitsy ny minisitry ny fanabeazana vaovao Horace Gatien. Toa fihetsika feno avona aza no nasetriny ny fangatahan’ny mpanabe . Raha jerena dia tsy vonona ny hihaino ny fangatahana akory ny lehilahy . Mazava fa tena mpanao politika mpitady seza fotsiny ity voatendry ity, ka tsy misaina afa-tsy izay hahabe nangy sy takolaka azy angamba . Azo hamarinina izany tamin’ireo lalana efa nolalovany teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fahaizany miova loko, ka rehefa niala tamin’ny mena dia nivadika volom-boasary ary ankehitriny dia
manga indray. Tsy mamiratra ny lasany teo  amin’ny andraikitra notanany tamin’ny  fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa. Tsy hita izay nafitsony raha nivadika tampoka tao amin’ny sehatra teknika . Ary mahakivy ny fihetsiny raha vao nandray ny toerana ho minisitry ny fanabeazana indray izy .  Ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra dia ny fandrenesana faran’izay haingana indrindra ny hoe : rahoviana no hiverina hianatra ny mpianatra ary rahoviana ny fanadinam-panjakana?
Izany izao no maika indrindra aminy satria nisy no efa nandoa saram-pianarana hatramin’ny folo volana hatreto , ka raha sanatria mbola hiampy ho lasa 11 volana indray dia tena tsy ho zaka intsony. Ho an’ny mpampianatra kosa  ny mahadodona azy dia ny handre hoe nekena ve ny fangatahana marobe nataony momba ireo tambin-karama tsy azo, sy ny tombontsoa tokony ho azony nefa odian’ny fanjakana bemarenina hatramin’izao? Hatreto dia tsy manana vahaolana ho amin’ireo ny minisitra sady tsy manao ezaka hamahana haingana izany olana marobe izany, koa ny tsotra sy tsara indrindra dia ny manala haingana ny olona toy izany fa ho potika tanteraka ny fanabeazana eto Madagasikara raha mbola hijanona na dia herinandro fotsiny  eo amin’ny sezany aza io minisitra io. Raha izao mantsy no mbola hitohy na dia herinandro aza dia ahiana ny haha taona fotsy ity taon-tsekoly 2017-2018 ity.