Edito 28 Jiona – Vitsy no nanangan-tsaina tamin’ny fetim-pirenena

Vitsy no nanangan-tsaina tamin’ny fetim-pirenena

Helisoa

Vita indray iny ny fankalazàna  ny faha-58  taona  nahazoan’i Madagasikara  ny fahaleovantena, ny 26 jona 1960 . Tsy toy ny isantaona anefa  ny fankalazàna  ny fety tamin’ ny Malagasy  fa   , hita taratra  ny  fahasiranana mahazo  ny maro ankehitriny. Nitaraina   ireo mpivarotra akoho amamborona   sendra ny mpanao  gazety  fa  zara raha nahalafo  ireo  entana  namidy teny an-tsena   . Teny  amin’ny arabe teto andrenivohitra,   tsy mba nahitana  taratra ny maha fetim-pirenena  azy fa  nangina ohatra ireny andro alahady ireny,  ny saina mitsangana  amin’ireo   trano   zara fa misy , nefa efa natao totoafo ny fanentanana  amin’ny haino amanjery . Ny zavatra hita aloha  dia hatramin’ny  2009  nisian’ny fanonganam-panjakàna teto Madagasikara notarihin’i Andry Rajoelina  dia niova  ny  fankalazàna  ny fetin’ny 26 JONA  raha ny resaka fananganan-tsaina . Tsy hita intsony ny soa toavina hoe  fetim-pirenena ny 26 jona , ka mila manaja izany amin’ny fananganan-tsaina  ny vahoaka . Lasa ny mifanohitra  amin’izany  no misy  satria tezitra amin’ny mpitondra  ireto farany  dia  tsy manangan-tsaina intsony . Amin’ny  herintaona toy izao angamba vao hiverina amin’ny tena fankalazàna ny fetim-pirenena ny vahoaka Malagasy  rehefa  filoha voafidim-bahoaka araka ny safidiny marina no mitondra an’i Madagasikara .