19:00 > Sendikan’ny mpampianatra – Mitohy ny tolona mandra-pivalin’ireo fitakiana

Ny sendikan’ireo mpampianatra sy ireo mpampianatra ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena dia manamafy fa mitohy ny tolona mandra-pivalin’ny fitakian’izy ireo. Mazava ny velirano sy fanamby ary lokaloka izay nifanaovantsika hoy ny fanambarana. Farafaharatsiny tanterahina ireo izay efa nifanarahan’ny fanjakana tamitsika tamin’ny fitakiana tamin’ny taona 2016, ho fohy ezaka dia ny indemnité spéciale pour le personel du MEN: 100000 Ar, reclassement cat 4 sy 3 sortant Crinfp, recrutement 6000 haverina amin’ny ministera, fijerena ireo 55 taona Fram tsy afaka ho recruté-na intsony, bonification Fram ho fanamaivanana ny contrat, remboursement- na frais médicaux sy prise en charge eny amin’ny Dren 22, fampiakarana ny subvention. Izay vao misy fiverenana an-dakilasy hoy ihany ny fanambarana. Ny vacation sy ny subvention dia trosa tsy voaloa ka rariny raha aloa. Raha tsorina dia mbola tsisy mangirana na dia kely aza ny fangatahatsika. Nanambaraa’ Andriamatoa Ministry ny fanabeazana fa mbola mifampidinika ireo teknisiana amin’ny fitadiavana vaha olana. Noho izany, miandry isika. Mitohy ny fitokonana hatramin’izay hisian’ny vahaolana hifanarahana mazava. Aoka hotazonina ny firaisankinantsika. Misy ny fahavalo izay mpandrava koa aoka samy hitandrina. Ny valin-teny mikasika ny hisiana taona fotsy na tsia eto amin’ny firenena dia ny fitondram-panjakana no tokony hamaly azy satria miankina amin’izy ireo ny hirosoana amin’ny fianarana na tsia. Alao hery hoy ireo mpampianatra fa fotoana izao hivondronantsika hamerenana ny hasintsika. Tsy mba manana fitaovam-piadiana toy ny basy isika, tadidio anefa fa mety hanana fitaovana mahery vaika nohon’ny basy isika raha haintsika ny mampiasa azy. “Masina ny tanindrazana rehefa masina ny fanabeazana ka omena hasina ny mpanabe”.