10:00 > Mitohy ny tolona eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey, antoka ho an’ny fifidianana madio sy mangarahara

Mitohy hatrany ny tolona ataon’ny vahoaka  miaraka amin’ireo depiote ho an’ny fanovàna,   indrindra   ny depiote   voafidy tamin’ny alalan’ny   antoko  Tiako i Madagasikara (TIM), eo amin’ny kianjan’ny 13 mey  na   nivaly tamin’ny ampahany aza  ny fitakiana  tany amboalohany  nahatonga   ny hetsika  .  Izany   dia noho ny  resaka lalam-pifidianana  natolotry ny governemanta  natao amboletra   nanilihana    olona,  ka nahatonga   ny depiote 73  hitsipaka an’io,    tonga hatrany  amin’ny  HCC  ny  fitoriana  ka nahazoan’ireto farany fandresena goavana  .  Rehefa  nitsangana  ny governemantan’ny marimaritra iraisana  araka   ny didy navoakan’ny HCC  dia   nisintaka   ny  depiote Mapar . Maro no naneho ny heviny  tamin’izany fa rehefa nahazo seza  ny TGV/MAPAR  dia  lasa niridana tsy nanao fisaorana   sy   veloma ho an’ny mpitolona   tao amin’ny 13 Mey  akory,  fa lasa   niaraka   amin’ny   lehiben’ny mpanongam-panjakàna  Andry Rajoelina   manao  propagandy  mitety   an’i Madagasikara .   Ny antoko Tiako i Madagasikara  izao  no mbola miaraka  amin’ny vahoaka  mitolona ho an’ny fanovana tena izy .  Maro  no milaza  fa   efa tratra ny tanjona   ho an’ny  mpomba  ny filoha Marc Ravalomanana  :  afaka  milatsaka   ho fidiana  i Dada, misokatra  ny MBS ,   afaka mihodina ny AAA  ,  nefa  dia  mbola manohy ny tolona  hatrany    ny depiote TIAKO i MADAGASIKARA,  satria mbola tsy  tratra ny tanjona  .   Rehefa  hanao fifidianana madio  sy eken’ny   rehetra   eto  Madagasikara   dia mila miova hatrany amin’ny farany ambany  ka  hatrany ambony  ny  CENI   hoy ny depiote  Mamy Rabenirina voafidy tao Ambohidratrimo   , misy ny olona marobe  mbola  tsy tafiditra ao anaty  lisitra  , eo  ny olana   eo amin’ny  biraom-pifidianana  sns… hoy izy  ,  ny   governemanta mbola misy HVM  mbola hilàna fanamboarana  .  Noho   izany rehetra izany  , mitohy ny tolona   , koa anio  alakamisy  dia  hisy ny filaharambe   manomboka  amin’ny 2 ora  tolakandro   ataon’ny vahoaka   sy fikambanana maro samihafa , ireo   antoko politika , sendika  sns…  hitondra sorabavety   izay mampiavaka  azy ny tsirairay  amin’izany .