08:30 > HO ANAREO MPITSARA SIVY

Mandry ve ny sainareo ry izy sivy nantenaina ?

Toa tsy nandrenesam-peo ka mahakivikivy saina !

Tsy nampoizina ny didy sy ny tianareo hampiharina .

Moa `nareo efa voavidy ka nandao ny lala-marina ?

 

Moa mahery ny devoly dia nandroso fahalovana ?

Misy indray ny kolikoly dia ny ratsy no narovana ?

Valaketraka ny maro , be no maina sady reraka.

Moa `nareo tsy mahatsiaro ho tompon`antoka tanteraka ?

 

N`inona n`inona hambara , tsy milamina ny tany.

Koa mihevera ry mpitsara , misy andraikitrao izany .

Raha ianao natao hanirina no hampivandravandra indray,

Dia mandehana re mimpirina fa tsy `zay no andrasanay.

 

… Androany ianao mpitsara , ampitso handalo fitsarana.

Sahinay ny manambara f`io dia tsy azonao ialana.

Saino ihany izay hombana , mba tsy hisy fanenenana.

Ampiharo k`aza ovàna ny lalàna ho fanorenana.

 

               DADAN`i ZINA (21-06-18)