13 Mey – TIM sy ny Sindikà mitaky ny fanovàna ifotony

26 Jiona – Kianjan’ny 13 Mey

Na dia nitokona aza ny fitanterana androany dia maro ny olona tonga nanatevina teny amin’ny 13 Mey. Manao be marenina ny fanjakan-dRajao eo anatrehan’ny fitakian’ny sindikà. Manao antso avo ny sindikà hisian’ny fiovàna ifotony, tolona iarahana amin’ny depiote TIM izay manohy ny tolona fa tsy mamita-bahoaka amin’ny fitadavian-tseza na kajikajy pôlitika ho an’olom-bitsy.