11:00 > ” Ça suffit! ” izany no tenin’i Rajoanarimampianina tamin’ny kabariny nandritry ny fetin’ny fahaleovan-tena. Dia hoy koa ny vahoaka hoe: ” Ça suffit! “. MIALÀ RAJAO SY NY FORONGORY!

” Ça suffit! “ izany no tenin’i Rajoanarimampianina tamin’ny kabariny nandritry ny fetin’ny fahaleovan-tena. Kajikajy pôlitika sy fanodinkodinana saim-bahoaka indray no nilazany ny tolona notarihin’ny depiote 73 ho an’ny fanovàna. Lazaina koa fa voavidy vola ary voan’ny tsindry sy antsonjay ireo nitarika ny faharavàn’ny governemanta Mahafaly, dia noho ny kajikajy pôlitika daholo. Lazaina koa fa nihemotra fatratra ny demokrasia. Ary mihantsy ady mihitsy izy aza, fa tany miady mihitsy hono Madagasikara amin’izao mitranga izao.

Izy mamo indray marina no miantso pôlisy. Ary filma efa nandeha, paika fampiasany tsy satry izany. Ny ataony no anendrehany ny sasany.

Raha ny gaboraraka nitombo isan-taona hatramin’izay nandraisany fahefana izay anefa dia tsy tamby tanisaina eto raha hilaza fotsiny ny kolikoly, ny antsonjay, ny fanamparam-pahefana, ny tsy fandriampahalemana, ny fivarotana tanindrazana (ZES, sns), ny hold-up demokratika (lalampifidianana amboletra), sns. Nefa dia ireo indray no asesiny fa ny hafa no manao fa tsy ny aty amin’ny lafiny izay andraiketany.

Ka tsy ny mamo indray ve no miantso pôlisy. Dia hoe misy ‘guerre’ hono. Sa amin’izay dia raiketina ve ny fampisamborana?

Dia bado daholo mantsy ireo mpitolona antoko, sindikâ, mpampianatra, mpianatra, olontsotra sy izay tsy tamby isaina.

Aoka izay Rajao â! Aleo miala ianao sy ny forongonao. Be loatra ny fanaovanao tsinontsinona ny vahoaka, ary atao hoe fanompàna ny vahoaka mihitsy aza.

Ary raha ny amin’ny fifidianana dia efa tsy matoky intsony ny vahoaka mangetaheta fanovàna satria efa nofenoinao ny olonao ny CENI, ny HCC, ny antenimiera roa tonta, ny toeram-pifidianana.

Ny teninao ihany no averin’ny vahoaka aminao. ” Ça suffit! “.

MIALÀ RAJAO SY NY FORONGORY!