26 Jiona – 10 taona izay – Faly aho satria hisokatra ny MBS

(Fandraisana an-tsoratra malaka)

Faly aho satria hisokatra amin’izay indray ny MBS ary ho azonareo ny fandaharana amin’ny onjam-peo 95.4Mhz.

Folo taona izay latsaka kely no nikatonana, nijanonany sy tsy namaoka izany fandaharana izany intsony.

Amin’ity andron’ny asaramanitra 26 Jiona 2018 ity anefa dia indro fa hisokatra indray ny MBS.

Ny teniko voalohany indrindra dia misaotra an’Andriamanitra satria nitahy antsika sy nomba antsika izy. Ka na teo aza ny hetraketraka sy ny sakantsakana maro samihafa, ny marina marina foana. Ary dia nisokatra soa amantsara izy, nahazo rariny tao amin’ny fitsaràna.

Koa dia manantena aho, mino aho fa handeha tsara ny fandaharana sy fandraisan’anjaran’ireo mpino ao amin’ny 95.4Mhz.

Faly aho satria andro iray manana ny tantarany ity 26 Jiona ity, andro ankalazantsika faha-58 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Miteny aho eto amin’ny fomba ôfisialy no isokafan’ny MBS rehefa nahazo ny fandresena.

Satria isika zanaky ny mpandresy dia handresy mandrakariva. Koa dia matokisa ianaraeo, minoa fotsiny ihany fa na inona na inona mijoroa mandrakariva satria homba antsika Andriamanitra.