Edito 19 Jiona – Tsy misy firenena mandroso anaty kitoatoa

Edito 19 Jiona
Tsy misy firenena mandroso anaty kitoatoa
Rina Rabemananjara
Tsy tongatonga ho azy ny fandrosoan’ny firenena iray fa tsy maintsy misy ny antony mahatonga izany . Eo aloha ny tsy famelana ny gaboraraka hanjaka  izay tsy afaka misaraka amin’ny fanajana ny lalàna , eo koa ny fitantanana izay tsy hanjakan’ny halatra sy ny fanodinkodinana ny harem-pirenena . Fa ankoatra izay mba hahafantaran’ny mpitondra izay lalana hitondrany ny firenena izay tantaniny dia tsy maintsy fantany ny mombamomba ny fireneny . Amin’ny fomba ahoana no hikatsahana fampandrosoana kanefa ny isan’ny mponina aza tsy fantatra , raha ny eto Madagasikara ohatra dia izao vao manao hazakazaka arahin-tosika Rafanjakana manao ny fanisana . Tsy fantatra ny isa marina ho an’ny olona mizaka ny zom-pirenena Malagasy . Mbola maro rahateo ny olona tsy manana soram-piankohonana any amin’ny faritra mitoka-monina, eny fa dia amin’ny tanàn-dehibe aza , isan’andro anefa dia misy ny zaza teraka . Dia hoy isika manao hoe : ny isan’ny mponina aza tsy fantatra ka mifototra amin’ny inona moa ny programam-pampandrosoana tiana ho tanterahana ? Io no anisan’ny tsy nampahomby ny fitantanan’ny Hvm , maika ny hahazo seza ka tsy nahagaga raha niova matetika ny Praiministra . Mba firy moa amin’izao fotoana izao ny isan’ny omby eto Madagasikara ? Azo antoka fa tsy fantatra , na ny marimarina kokoa fanahiniana tsy isaina . Vokany dia manjaka ny halatr’omby manginy fotsiny ny fanondranana omby velona mankany ivelany izay tena manapotika ny toekarem-pirenena , ny omby vavy aza efa vonoin’ny sasany kanefa dia mandeha ho azy toy ny karatr’i Naivo tsy misy bedy ! Ny mahagaga dia ny karazan’olona efa nanapotika ny firenena no mbola misisika hahazo seza . Fifidianana mamoaka ny tena safidim-bahoaka no tadiavina mba hisian’ny tena fampandrosoana . Tsy misy firenena mandroso ao anatin’ny kitoatoa. Kitoatoa ny fametrahana Governemanta , kitoatoa ny fampiharana didim-pitsarana , kitoatoa daholo !!!