Governemanta Ntsay – Tsy nisy “accord politique”

Ravalomanana Ntsay Accord Politique

Faravohitra: Nitafa fohy tamin’ireo mpanao gazety ny Filoha RAVALOMANANA ny harivan’ny 17 jiona:
➡ Manamafy izy fa tsy nanao “accord politique” na tamin’iza na tamin’iza;
➡ Hihaona amin’ny PM Ntsay ny tenany rahampitso 18 jiona;
➡ Vonona hiroso amin’ny fifidianana ny antoko TIM, amin’izay fotoana rehetra hanaovana an’izany na dia eo aza ireo ahiahy maro ny amin’ny hanatanterahana izany;
➡ Raha ilaina dia hidina eny an-kianjan’ny 13 mey izy, hanazava ny sain’ireo olona manohy ny tolona eny.